lundi 4 avril 2011

Ampy izay

GTT Montpellier sy GTT Toulouse
Ampy izay ! ataovy ny hitsaharana amin'ny fomba rehetra, io fitondrana sandoka, mpangalatra ary mpamono olona io.
Andao hatsangana ny gouvernemantan’ny « 3 mouvances », efa manana chef de gouvernement (Atoa Manandafy), ary ny minisitra rehetra itsika, tamin'ny fifanarahana tany Addis- Abeba, izay vitan’ny rehetra sonia.
Fantatra sy hita mazava fa toetra ratsy hamono vahoaka (vizana sy noana), sy ny mpanohitra fotsiny amin'ny fitarihana resaka tsy misy dikany, tsy misy vaha olana ary mbola manohy ny fitondrana sandoka ary ny fitsetsafana ny harena rehetra na ambony na ambanin’ny tany.

Aza avela anjaka ireo saribakolin’ny mpanjanaka sy ny mpanjanaka.

TIAVO, AROVY ARY KOJAKOJAY NY ANAO