jeudi 12 août 2010

Fanambarana

FANAMBARANA ANKOLAFY RAVALOMANANA

Manoloana ireo feo izay mivoaka nanomboka tamin'ny fihaonana teo amin'ireo mpanao politika
sasantsasany teny amin'ny lapa teny Iavoloha ka hatramin'izao fivoriana eny amin'ny trano fivoriana
hiraisam-pirenena eny Ivato izao, dia manao izao fanambarana izao ny ankolafy Ravalomanana.

Ny ankolafy Ravalomanana dia tsy nanome tso-drano ary tsy mbola nanome alalana mpikambana ao
aminy hanatrika ny fihaonana sy ny fivoriana izay tanterahin'ny antoko politika sasany eto amin'ny
firenena. Ireo izay manatrika izany fivoriana izany dia tsy amin'ny anaran'ny ankolafy Ravalomanana
fa amin'ny anaran'ny tenany manokana. Noho izany dia tsy anisan'ireo manaiky izay zavatra tapahana
amin’ity fivoriana eny Ivato ity ny ankolafy Ravalomanana, ka na dia misy aza ny sonia izay ho
tanterahina dia amin'ny anaran’ny mpanatrika manokana ihany koa izany fa tsy nifampierana tamin'ny
filoha mpitarika na ny ankolafy velively.

Natao izao fampitam-baovao izao mba hanazavana ny sain'ny maro mahakasika ny fisian'ireo
mpikambana sasany ao amin'ny ankolafy Ravalomanana, manaraka ny fivoriana izay ataon'ny antoko
politika sasantsasany eny Ivato.

Antananarivo, faha 12 Aogositra 2010
Ankolafy Ravalomanana

dimanche 25 juillet 2010

Toulouse 24/25 juillet


FANAMBARANA

Ny asabotsy sy alahady 24-25 jolay dia nivory tao Toulouse ny GTT (Diaspora-Gasy Tia Tanindrazana) avy amin’ny lafivalon’ny lafrantsa sy ny manodidina.

Tao anatin’ny firalahiany tanteraka no niharahana nandinika ny fivoaran’ny toe-draharaha any an-tanindrazana.

Mahatsapa sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny Communauté Internationale, toy ny SADC,U.A, U.E, ONU… amin’ny fitadiavana ala-olana mba hisian’ny fandriampahalemana ao Madagasikara, koa maneho etoana ny fankasitrahana sy fisaorana azy ireo ny GTT eran-tany.

Amin’izao fotoana izao dia ezahin’ny fitondràna tsy ara-dalàna Fat ny hanatanteraka ilay “dinika santatra” tarihin’ny “raiamandreny mijoro”. Tsy mifandraika velively amin’ny hevitry ny fifanekena vita Sonia tany Maputo sy Addis-Abeba (consensuelle et inclusive) izany, ka tsy hahavaha ny olana mianjady amin’ny firenena.

Noho izany dia manamafy ny GTT amin’izao fandalovan’Ingahy Chissano izao, Chissano izay isaorana indrindra nohon’ny ezaka nataony hatramin’izay hanampiana ny Malagasy, fa ny vaha olana haroson’ny FATY hatramin’izay dia mandamoaka satria tsy mamaly ny hetahetan’ny Malagasy, dia ny fiverenan’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana.

Koa:

Mamerina ny fitakiana ny famotsorona tsy misy hatak’andro ireo gadra politika.

Manamafy fa tsy manankery ireo didy sy lalàna navoakan’ny FATY mpanongam-panjakàna hatramin’ny mars 2009 no mankaty, ary mitaky koa ny fanafoanana azy ireo.

Mitaky ny fiverenan’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ary ny fametrahana ny antoka rehetra mikasika ny ainy.


samedi 3 juillet 2010

lundi 24 mai 2010

En marche pour la victoire





















Le séminaire des GTT du 22-23 mai 2010 à Valras Plage avec la présence des villes suivantes : Paris, Bordeaux, Toulouse, Marseille, Alès, Béziers et Montpellier s'est terminé avec une grande décision.
La mise en place d'un parti politique pour soutenir le Président RAVALOMANANA aux divers élections à venir se confirme, car soutenir une personne c'est soutenir ses idées et son programme le MAP ( Madagascar Action Plan).
Des formations politiques vont être dispensées pour les membres novices en la matière.
Une branche sociale GTT aussi va se créer pour les membres qui veulent faire du sociale.