dimanche 25 juillet 2010

Toulouse 24/25 juillet


FANAMBARANA

Ny asabotsy sy alahady 24-25 jolay dia nivory tao Toulouse ny GTT (Diaspora-Gasy Tia Tanindrazana) avy amin’ny lafivalon’ny lafrantsa sy ny manodidina.

Tao anatin’ny firalahiany tanteraka no niharahana nandinika ny fivoaran’ny toe-draharaha any an-tanindrazana.

Mahatsapa sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny Communauté Internationale, toy ny SADC,U.A, U.E, ONU… amin’ny fitadiavana ala-olana mba hisian’ny fandriampahalemana ao Madagasikara, koa maneho etoana ny fankasitrahana sy fisaorana azy ireo ny GTT eran-tany.

Amin’izao fotoana izao dia ezahin’ny fitondràna tsy ara-dalàna Fat ny hanatanteraka ilay “dinika santatra” tarihin’ny “raiamandreny mijoro”. Tsy mifandraika velively amin’ny hevitry ny fifanekena vita Sonia tany Maputo sy Addis-Abeba (consensuelle et inclusive) izany, ka tsy hahavaha ny olana mianjady amin’ny firenena.

Noho izany dia manamafy ny GTT amin’izao fandalovan’Ingahy Chissano izao, Chissano izay isaorana indrindra nohon’ny ezaka nataony hatramin’izay hanampiana ny Malagasy, fa ny vaha olana haroson’ny FATY hatramin’izay dia mandamoaka satria tsy mamaly ny hetahetan’ny Malagasy, dia ny fiverenan’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana.

Koa:

Mamerina ny fitakiana ny famotsorona tsy misy hatak’andro ireo gadra politika.

Manamafy fa tsy manankery ireo didy sy lalàna navoakan’ny FATY mpanongam-panjakàna hatramin’ny mars 2009 no mankaty, ary mitaky koa ny fanafoanana azy ireo.

Mitaky ny fiverenan’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ary ny fametrahana ny antoka rehetra mikasika ny ainy.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire