vendredi 1 octobre 2010

Nakatona ny radio Fototra


Demokrasia fozaorana!
.
Toy ireny nivoaham-paty ireny ny fahenoana ilay onjam-peo « Radio Fototra » nanambara ny fanerena hanakatonana azy. Anisan’ireo radio tena be mpihaino tokoa izy io tato ato indrindra eny ambony fiara fitanterana. « Amin’ny alahelo lehibe no ilazanay anao mpihaino sy mpankafy fa tsy maintsy hikatona amin’ny fotoana tsy voafetra ny Radio Fototra eo amin’ny maridrefy 98.2 FM kanefa efa nahazo alalana handeha sy hanao andrana ara-teknika, mahazo manafatra kojakoja samy hafa, handrakotra ny faritra manerana ny Nosy ». Marihana moa fa Radion’ny Hasin’ny Madagasikara izy io izay mikajy ny tontolo iainana.
.
Mazava ho azy fa tandidomin-doza ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ao anatin’izao fampielezan-kevitra sy fampahalalana ny vahoaka momba ny lalam-panorenana izao dia hakatona ny onjam-peo tsy mpomba na manohana an’i Andry TGV, izay ilay « demokrasioa Fozaorana » tsy mitsahatra mihemotra, mifanohitra tanteraka amin’ny tena atao hoe « demorasia » Taorian’ny Fanakatonana ny Radio Mbs, Radio Mada, Radio Fahazavana, dia izao nakatona izao indray ny Radio Fototra. Iza indray no hakatona manaraka ? Kanefa iaraha-mahalala fa « bado » na tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny akamaroan’ireo tantsaha maro an’isa any ambanivohitra lavitra any, ny haino aman-jery itony no mba fandratoana fahalalana sy vaovao mitranga. Terena hihaino ny radion’ny mpitondra izany ny vahoaka. Vive Viva et Antsiva e!
.
Tanapenam-bava !
.
Ny mahatsikaiky amin’ity raharaha ity dia ry zareo ihany no nanome alalana hanokatra izany onjam-peo izany kanefa dia hakatona sahady, midika izany fa tsy misy fahamatorana mihitsy ity fitondrana ity. Nodradradraina fa manao « didy jadona » ny fitondrana teo aloha, izao anefa ny fitondran’i Andry Rajoelina no tena manao izany. Efa naseho’ny fitondrana FAT teny amin’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato fa azo gadraina ny mpanao gazety, izao habaribariny fa azo hakatona ny onjam-peo. Loza mitatao hoan’ny asa fanaovan-gazety izany, tsy mahagaga aloha raha noesorina tao amin’ny teny filamatry ny lalam-panorenana vao hofidiana ny teny hoe « FAHALALAHANA » e ! nampiharina sahady ny « tsy fisian’ny fahalalahana » na dia mbola tsy nandalo fifidianana aza, maika moa fa… fanapenam-bava tsotra izao ny dikan’izao !
.
Antsojay !
.
Izao fomba mamohehitra izao koa dia mandrisika ny mpanam-bola tsy hampiasa vola eto Madagasikara, taorian’ny tsy fanomezana hamokatra ny fanamboarana « labiera » iray napangaina fa misy volan’ny filoha teo aloha mihodina ao, taorian’ny tranga ny « Madamobil » izay tsy havela hamokatra ihany koa na dia efa nahazo alalana ara-dalana aza, dia izao ity onjam-peo ity indray no tratran’ny antsojay ! Tsetratsetra tsy haritra no ilazana fa tsy vitan’ny mangalatra (bois de rose) sy manimba ny tontolo iainana ny FAT fa mbola nanakatona ny hany onjam-peon’ny « tontolo iainana » !

by Solo Razafy Mydago.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire