mardi 3 janvier 2012




Hihaona tsy ho ela isika hoy ny filoha Ravalomama
2 janvier 2012


Na dia tsy afaka niara-nitsena ny taona vaovao 2012 tamin’ny vahoaka Malagasy aza ny Filoha Ravalomanana Marc, dia tsy nanadino azy tamin’ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa. Tamin’ny alàlan’ny fidirana mivantana an-telefaonina teny amin’ny kianjan’ny Magro, ny sabotsy 31 desambra 2011 teo no nanaovany izany.

Amin’izao faran’ ny taona 2011 izao, hoy izy, dia miarahaba antsika tratran’ ny faran’ ny taona. Fotoana iray izay ahafahana ihany koa manao jery todika ny lasa sy ny hoavy izao vanim-potoana 31 desambra izao. Nandritra ny 365 andro izay, hoy izy, dia samy nanana ny andin-tsainy ny tsirairay amintsika, ny fifaliany, ny fahasahiranany. Nisy ny fitiavan-tena izay ahitana tsy fitezany koa. Fotoana fanoherana sy fandinihan-tena izao, hoy izy.

“Nandritra izay telo taona izay, raha dinihina ny fiainam-pirenentsika, dia azo lazaina ary hitan’ny vahoaka roapolo tapitrisa sy hitan’izao tontolo izao fa tsy nisy fampandrosoana vita na iray aza teto. Tsy misy tombon-tsoa ho an’ny vahoaka afa-tsy ho an’ireo vitsy dia vitsy nanararaotra ny fahasahiranan’ny Malagasy”. Ny antony, hoy izy, dia tsotra : Manandranandrana ary mitsapatsapa ny sasany, amin’izany fitondrana firenena izany. Tao mihitsy aza ny nanao “copie” na naka tahaka ny fihetsika nataoko sy ny dia izay nalehako, mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena.Nalaina ireo olona sasany tao amin’ny Ankolafy Ravalomanana mba hahazoana izany fankatoavana iraisam-pirenena izany. Tsy nanaiky izany ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Mila fifampitokisana sy fahendrena, ary indrindra indrindra maodely, ny fitantanana izany firenena izany.Ilaina ny manao fihetsika maotina amin’ny vahoaka , mba hampisehoana amin’ izy ireo fa misy ny manampy sy mijery azy. Izay no antsoina hoe “leadership”, hoy Ravalomanana Marc, fa tsy izay olona miteniteny foana na olona manao fihetsika tsy mahomby sy milaza zavatra tsy marina. Matoa aho miteny an’izany dia fotoana andinihan-tena iza”.

Amin’izao fotoana itenenako izao dia sao diso ny fanantenan’ny sasany , fa ho azo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany. Tsia, diso izany, hoy ny fanazavana. Mazava tsara ny voalazan’ny CPS fa ny fanatanterahana ny Tondro Zotra no hanesorana ny sazy ho an’i Madagasikara. Koa samia mandini-tena tsara ianareo milaza azy fa mpitondra ny firenena ireo , fa mbola tsy izy akory io. Ny tena izy, hoy Ravalomanana, dia tonga ve ny vola avy any amin’ny Vondrona Eoropeanlna hanampiana ny tantsaha ?

Nambarany ihany koa fa nanome toky ny fianakaviam-be iraisam-pirenena fa vonona hanampy an’i Madagasikara rehefa tafaverina eto an-tanindrazana ny tenany. “Ny fiverenanay izay aty ivelany, hoy izy, no vahaolana hivoahana amin’ny krizy”. Nohamafisiny fa tsy maintsy ho avy i Dada na misy aza ny “notam” ataon’ny sasany. “Ny andrasana fotsiny dia tsy maintsy mampiseho maodely izahay. Tsy atao filan-tsy mahita ny SADC fa tsy maintsy hajaina izay lazainy. Ho hitanareo, hoy izy, fa ho avy i Dada. Tsy hitondra korontana velively ny fahatongavako any fa hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Mila mandini-tena isika amin’ity taona 2012 ity, satria izany olona manao sonia ny zavatra nifanekena izany dia tompon’andraikitra”.

Nambarany ihany koa fa “ity taona 2012 dia hitondra fahasalamana sy hery ary tanjaka ho antsika rehetra, indrindra indrindra fa nomen’Andriamanitra Fanahy Masina isika mba hahafahantsika mandini-tena. Mino isika, hoy Ravalomanana Marc, fa hihaona tsy ho ela”.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire