vendredi 30 mars 2012

Antson’ny filoha Ravalomanana : « hody tsy ho ela aho, …aoka izay ny fandrangitana sy fihantsiana »

Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teo amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny filoha Ravalomanana io hariva io. Naharitra 15 minitra ny faharetan’ny antsony tamin’izany. Indro entinay aminao ny fandikana an-tsoratra ny laha-teniny tamin’izany :

Izao 29 Martsa izao dia fahatsiarovana ireo maherifontsika, izy ireo dia tsy mba niahotrahotra, tsy natahotra fa sahy nanao sorona ny tenany , ankehitriny 65 taona aty aoriana mbola misy ireo tapa-porohana sisa tsy may, ireo izay akanga sisa nanamborana.Manantena sy mino izy ireo fa ny tolona nataony tamin’izany dia hampandroso sy hanatsara ny taranaka faramandimby. Raha nametraka fehezam-boninkazo ianareo teo teny Ambohijatovo dia tsy nametraka fe nametraka fotsiny fa ho fahatsiarovana ao an-tsaina ny tolona nataon’ireo mahery fo ireo.

Ankehitriny toa very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy, toa ampiadian’ny sasany fotsiny ny vahoaka Malagasy.Toa faly mifikitra amin’ny seza sy mitady vola fotsiny ny hafa.Tsy fotoana hitanisana, na hanomezan-tsiny ny hafa ny androany fa fotoana hisarihana ny sain-tsika rehetra hoan’ny tanindrazana .

Misaotra an’Andriamanitra isika nomeny ity andro androany ity.Afaka hahatsiaro sy handinika, hamakafaka tsara ary indrindra afaka hihaino ny feon’ny fieritreretany ny tsirairay avy.

Tonga ny fotoana hanaovana ny fifampihavanana eo amin’ny samy Malagasy.Faly aho amin’ny nisian’ny amnistia faobe io na dia tsy mikasika ny tenako manokana aza izany.Io dia mba hisian’ny fifanatonana sy fifamelana eo amin’ny samy Malagasy noho ny hevitra tsy mitovy, noho ny saina tsy mitovy .Aza adinoina fa ny saina samy manana fa ny hevitra no tsy mitovy ary io no mampisara-bazana antsika ankehitriny.Tongany fotoana hijerentsika ny taranaka faramandimby.

Miantso anareo aho ry vahoaka Malagasy : aoka izay ny fiantsiana, aoka izay ny teny mandratra ny sasany.Aoaka mba ho teny afaka mandrindra ny fihavanana amintsika samy Malagasy.Koa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.Koa miantso antsika Malagasy aho, miantso ny mpitondra hijery ireo vahokaa fadiranovana tsy manan-kohanina.

Noho izao fahasamihafan’ny hevitra izao, noho ny adilahy politika izao dia aoka mba samy hitsara tena isika,mba hamerina indray ny firenentsika ary indrindra hamonjena ny vahoaka ao anaty fahasahiranana izao. Efa tsy zakan’ny tokan-trano intsony raha sanatria sendra misy marary, maro loatra ny ankizy tsy afaka miditra an-tsekoly intsony

Averiko aminareo fa tsy izaho no handrara na hitsipaka izay fihaonana tokony hatao, vonona tanteraka mihitsy aho.hampiseho amin’ny rehetra fa ny fitiavana ny vahoaka no asehoko.

Koa mampanantena anareo vahoaka aho fa ho avy eto Madagasikara ary ho avy tsy hoela aho satria nandrasan’ny SADC ny nahavitan’iny amnistia iny.

Nihaona tamin’ireo mpamatsy vola aho, na ny Vondrona Eoropeana, na ny Amerikana, na ny Aziatika izay samy nilaza fa raha tsy misy ny filaminana dia tsy afaka ny hanampy mihitsy izy ireo.Koa miantso ny vahoaka Malagasy rehetra aho : aoka izay ny fizarazarana fa mijaly ny vahoaka, apetraho ny ambom-po, tandremo tsara ny fandrangitana sy ny antsy ady,aoka handeha amin’ny filaminana sy ny fahendrena isika .Vonona tanteraka amin’ny fihaonana hitadiavana vahaolana amin’ny firenena aho.

Efa nilaza ihany aho fa ho tonga eto Madagasikara hitondra filaminana fa tsy sanatria hitondra korontana na ady fa hitondra fandriam-pahalemana.Vitako ny fanamby hamerina indray ny famatsiam-bola avy any ivelany, ary ianareo izay manana traikefa hafa koa dia tsy mandà izany aho fa miasa miaraka isika hanasoavana ny vahoaka .Raha misy mahatsiaro tena ho voan’ny tsindry hazo lena na mahatsiaro voahilika tsy fidiny tamin’ny fotoan’androny : tonga ny fotoana hitenenako aminareo fa hafa ny omaly .Tonga ny fotoana iarahantsika hampandrosoana ny vahoaka Malagasy”

Source mydago 29 mars 2012 by

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire