mercredi 16 décembre 2009

9 Colonels exigent le retour des trois mouvances


Noho ny andraikitra haja, noho ny adidy voninahitra, amin’ny fanompoana ny tanindrazana, izahay Manamboninahitra zoky tonga eto voafidy hitondra ny tenin’ny Foloalindahy izay manaja ny soatoavina Miaramila, dia manao izao fanambarana izao :

- misy fotoana hanginana, misy fotoana hitenenana.

Miamiditra lalina amin’ny olana ny firenena, mitombo tsy hita lany ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy, efa niezaka ireo mpanao Politika hifanantona. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy tratra ny tanjona amin’ny fametrahana ny Andri-panjakana rehetra mitantana ny fitondrana tetezamita iraisana.

Mahatsiaro izahay fa iray ihany ny lalàna, ary soa toavina Malagasy raha teo izany, dia ny fihavanana sy ny fifampiresahana, koa noho izany dia :

  1. Mitaky ny mpanao Politika hanoy ny fifampidinihana mba hisian’ny vahaolana hainga sy maharitra ary ekeny rehetra.
  2. Firenena Demokratika i Madagasikara, koa takianay ny fampiharana ny zo fotora, dia ny famelàna ny olom-pirenena hivezivezy ankalalahana eto amin’ny tany sy ny fanjakana sy ny fampodiana tsy misy hatak’andro ireo Malagasy atoa sesin-tany any ivelany noho ny hevitra tsy mitovy.
  3. Miantso ny foloalindahy.

- hitandro mandrakariva ny tsy fombàna amin’ny atsy na ny aroa (neutralité).

- tsy hanaiky ho atao fitaovana entina hanakanana ny olona haneho ny heviny ankalalàhana,

- hitandro toy ny anaka andriamaso ny firaisankinam-pirenena sy ny maha-iray tsy mivaky ny Foloalindahy.

Farany :
Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra ho tony mandrakariva.
Ho an’ny Tanindrazana.
Androany, faha 15 Desambra 2009.

Ireto avy ireo Manamboninahitra
-Colonel RAVOAVAHY
-Colonel ANDRIAMBAHOAKA
-Colonel RANDRIAMISAINA
-Colonel TOTO
-Colonel RAMBOASALAMA
-Colonel RABERANTO
-Colonel RAHEMBOLA
-Colonel RAOELISON
-Capitaine de Fregate RAKOTONIRIANA RABARISON

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire