vendredi 18 décembre 2009

MAGRO 17/12/09


Manomboka maneho hatezerana ny vahoaka
Nandritry ny fandraisam-pitenenana nataon’ny depiote Rasomotra no nisian’ny tovolahy iray nitroatra avy any anaty vahoaka niaraka tamin’ny sainam-pirenena Frantsay. Akory ny hagagan’ny mpitari-tolona rehetra sy ireo vahoaka mpanatrika raha nodoran’ity tovolahy ity avy hatrany izany sainam-pirenena menasofina iizany. Ny resaka nifanaovan’ny samy mpiara-mitolona no nahafantarana fa efa manomboka tsy voatana intsony ny hatezeran’ny vahoaka noho ny fitsabahan’ny frantsay marindrano amin’ny fitondrana ny firenena Malagasy.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire